Gôga sy Magôga
From Wikipedia, the free encyclopedia
Gôga sy Magôga dia anarana hita ao amin' ny toko faha-38 sy 39 ao amin' ny Bokin' i Ezekiela (hebreo: גּוֹג וּמָגוֹג Gog u-Magog). Ny hoe Gôga dia anaran' olona fa ny hoe Magôga kosa dia anaran-toerana. Mifono ankamantatra ny zava-boalazan' ilay lahatsoratra, nefa ireo anarana ireo dia misy ifandraisany amin' ny ady ifanaovan' ny firenena hafa amin' ny Jiosy izay manambara mialoha ny fiavian' ny Mesia. Hita ao amin' ny Bokin' ny Apôkalipsy koa ireo anarana ireo. Ny silamo dia manao azy ireo hoe Iajojy (Ya'jûj) sy Majojy (Ma'jûj).