From Wikipedia, the free encyclopedia
I Guillaume Grandidier dia mpahay jeôgrafia, etnôlôga ary zôôlôga frantsay, teraka ny 1 Jolay 1873 tao Paris ary maty ny 13 Novambra 1957, izahy nanompana ny fikarohany tamin' i Madagasikara.
I Guillaume Grandidier dia mpanoratra ny Atlas des colonies françaises, protectorats et territoires sous mandat de la France, fantatra amin' ny anarana hoe "Atlas Grandidier", niaraka amin' i Georges Petit sy i Édouard Bourdelle; ny Zoologie de Madagascar ary navoakany miaraka amin' ny rainy (Alfred Grandidier) ny Collection des ouvrages anciens concernant Madagascar. Amin' ireo sanganasany maro hafa momba an' i Madagasikara, ny malaza indrindra dia ny Madagascar : L’Histoire politique, physique et naturelle de Madagascar, novokarina niaraka tamin' ny rainy sy ireo manam-pahaizana hafa toa an' i Alphonse Milne-Edwards sy Léon Vaillant. Maro amin’ireo sanganasany no ao amin’ny Fonds Grandidier ao Antananarivo eto Madagasikara.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.