From Wikipedia, the free encyclopedia
I Gregôrio Mpanazava na Gregôrio I Mpanazava no olo-masina nitory ny Filazantsara na Evanjely tany Armenia ary izy no katôlikôsy (catholicos) voalohany, mpanorina sy lohan' ny Fiangonana Apôstôlika Armeniana. Teraka tamin' ny taona 257 izy ary maty tamin' ny taona 331. Amin' ny teny armeniana izy dia atao hoe Գրիգոր Ա Լուսաւորիչ / Grigor Lusavorich, amin' ny teny grika Γρηγόριος Φωστήρ, amijn' ny teny hebreo גרגוריוס המאיר.
Nanova an' i Armenia hiala tamin' ny zôrôastrisma ho amin' ny kristianisma izy tamin' ny fiandohan' ny taonjato fahefatra (nanomboka tamin' ny taona 301) ka nahatonga an' i Armenia ho firenena voalohany nandray ny kristianisma ho fivavahana ôfisialy. Olomasina ao amin' ny Fiangonana Apôstôlika Armeniana sy any amin' ny fiangonana hafa izy.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.