Goba (jeômetria)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny goba dia endrika ara-jeômetria manana hadiry sady manana tava enina miendrika efamira mitovy velarana, misy zoro (tampona) valo, ary rirany roa ambin' ny folo mitovy azo ampifampitaingenina.
Raha atao hoe a ny refin' ny rirany iray dia izao ny refy azo:
- Velaran' ny goba iray manontolo: 6a2;
- Hadirin' ny goba: a3;
- Halavan' ny savazoro: a√3 ;
- Tanan' ny bola ivelany: : a√3/2;
- Tanan' ny bola mikasika amin' ny rirany: a/√2;
- Tanan' ny bola anatiny: a/2;