![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/34/Ganges-Brahmaputra-Meghna_basins.jpg/640px-Ganges-Brahmaputra-Meghna_basins.jpg&w=640&q=50)
Ganga
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ganga dia ony any Azia izay mamakivaky an' i India sy Bangladesy. Atao hoe Ganga izy any India fa Padma kosa any Bangladesy. Mirefy 2 525 km ity ony ity ary miakatra any amin' ny faritra andrefan' i Himalaià any amin' ny fanjakan' i Uttarakhand any India. Mikoriana mianatsimo sy miantsinanana mamakivaky ny Lemaka Gangetika any avaratr' i India izy io, ary mihazo ny sakeli-drano ankavanana, i Yamuna, izay miakatra any amin' ny faritra andrefan' i Himalaià Indiana, ary ny sakeli-drano ankavia maromaro avy any Nepaly izay miantoka ny ampahany betsaka amin' izany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/34/Ganges-Brahmaputra-Meghna_basins.jpg/640px-Ganges-Brahmaputra-Meghna_basins.jpg)