Fokom-pirenen' i Israely
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fokom-pirenen' i Israely na fokon' i Israely dia ny fokom-pirenena roa ambin' ny folo taranaky ny zanaka lahy roa ambin' ny folon' i Jakôba araka ny voalaza ao amin' ny Bokin' ny Genesisy (na Jenezy) ao amin' ny Baiboly, izay mifarana amin' ny fitantarana ny nanorenan' ny Zanak' i Israely fonenana tao amin' ny tany Kanaana. Ireo zanak' i Jakôba ireo dia i Robena (na Reobena), i Simeôna, i Levy, i Jodà, i Isakara, i Zabolôna, i Dana, i Naftaly, i Gada, i Asera, i Jôsefa ary i Benjamina. Tamin' ny faharavan' ny Fanjakan' i Samaria dia lazaina fa nanjavona ka tsy hita intsony ny fokom-pirenena folo nonina tao amin' io fanjakana io.