From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny ôksitana na fitenin' ny Ôka dia fiteny ao amin' ny vondron' ny fiteny rômana tenenina ao amin' ny tapany atsimon' i Frantsa, ao amin' ny Lohasaha Ôksitana sy ny Guardia Piemontese (any Italia), any amin' ny Val d'Aran (any Espaina) ary any Mônakô. I Ôksitania no fiantsoana ny tontolo ara-piteny sy ara-kolontsaina ôksitana. Amin' ny teny frantsay dia atao hoe occitan na langue d'oc; ireo fiteny ireo, fa amin' ny fiteny ôksitana dia atao hoe occitan, lenga d’òc na óucitan, lengo d’o.
Miovaova araka ny faritra misy azy ny endriky ny fiteny ôksitana (roky enina, fenitra literera sy fenitra ara-tsoratra maro dia maro ary tsi-fisiana fiteny tenenina ho fenitra). Ankehitriny, araka ny ambaran' ny loharano maro dia maro, ny isan' ny olona miteny ôksitana dia 500 000 hatramin' ny 12 tapitrisa (raha isaina ireo olona mahazo ny fiteny ôksitana fa tsy mahay miteny azy). Ny havitsian' ny olona miteny ôksitana ankehitriny dia vokatry ny pôlitika nentin' i Frantsa momba ny fitenim-paritra (patois) tamin' ny faran' ny taonjato faha-19 hatramin' izao fotoana izao. Ankehitriny dia voasolon' ny fiteny frantsay ny fiteny ôksitana tany Frantsa sy ny fiteny italianina ny fiteny ôksitana tany Italia.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.