![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/fb/263827_A_pair_of_girls_giggle_with_one_another_during_a_Kurdish_New_Year_celebration_in_the_Qarah_Anir_region_of_Kirkuk%252C_Iraq%252C_March_21_in_2010.jpg/640px-263827_A_pair_of_girls_giggle_with_one_another_during_a_Kurdish_New_Year_celebration_in_the_Qarah_Anir_region_of_Kirkuk%252C_Iraq%252C_March_21_in_2010.jpg&w=640&q=50)
Fiteny kiorda
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny kiorda na fiteny korda na fiteny kordisy dia fiteny ao amin' ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin' ny sampana indô-iraniana, ao amin' ny zana-tsampana iraniana, ao amin' ny sampana misy ireo fiteny iraniana andrefana. Ny vahoaka kiorda izay miisa 44 tapitrisa any ho any sady monina amin' ny faritra midadasik' i Kordistàna, izay voazara amin' i Torkia sy i Iràna sy i Iràka ary i Siria, no tena miteny azy. Ahitana vahoaka kiorda koa ny any Eorôpa sy ny Etazonia sy ny any Kanada ary ny any Aostralia.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/e/e7/Kurdish-inhabited_area_by_CIA_%281992%29_box_inset_removed.jpg/640px-Kurdish-inhabited_area_by_CIA_%281992%29_box_inset_removed.jpg)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/f/fb/263827_A_pair_of_girls_giggle_with_one_another_during_a_Kurdish_New_Year_celebration_in_the_Qarah_Anir_region_of_Kirkuk%2C_Iraq%2C_March_21_in_2010.jpg/640px-263827_A_pair_of_girls_giggle_with_one_another_during_a_Kurdish_New_Year_celebration_in_the_Qarah_Anir_region_of_Kirkuk%2C_Iraq%2C_March_21_in_2010.jpg)
Soratana amin' ny vondron-tarehin-tsoratra telo karazana ny fiteny korda amin' izao, dia ny tarehin-tsoratra latina (ao amin' ireo Kiorda any Torkia sy Siria), ny tarehin-tsoratra sirilika (ao amin' ireo Kiorda any amin' ny tanin' ny Firaisana Sôvietika taloha) ary ny tarehin-tsoratra arabo (amin' ireo Kiorda ao Iràka sy Iràna).