Fiteny indô-eorôpeanina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny indô-eorôpeanina dia fianakaviam-piteny ivondronan' ny fiteny maro any Eorôpa sy any India ary any Iràna sy ny manodidina, tenenina eran' izao tontolo izao. Misy 1 000 eo ny isan' ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io. Fianakaviam-piteny tenenina maneran-tany ny maro amin' izy ireo, izay ahitana ny fiteny albaney, ny fiteny armeniana, ny vondrom-piteny baltô-slava, keltika, jermanika, helenika, indô-iraniana, italika (anisan' izany ireo fiteny rômana), ary vondrom-piteny maty roa, dia ny vondrom-piteny anatôliana (anisan' izany ny fiteny hitita) sy ny vondrom-piteny tôkariana. Ankehitriny dia misy 6 tapitrisa ny olona miteny indô-eorôpeanina.