From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny finoà na fitreny soômy dia iray amin' ireo fiteny finô-ogriana izay ao amin' ny sampana fenika ao amin' ny fianakaviam-piteny oraliana, izay mampiasa ny abidy latina. Ny mponin' i Finlandy manontolo no miteny finoà, afa-tsy ireo ao amin' ireo nosy Åland izay miteny soedoà amin' ny ankapobeny. Misy miteny finoà koa ny any Rosia (ao amin' ny Repoblikan' i Karelia izay manao azy ho fiteny ôfisialy). Miisa 5 000 000 any ho any ny mpiteny finoà, ka ny 91 % amin' ny Finlandey dia manao azy ho fiteny nibeazana. Ao Karelia dia miisa 70 000 any ho any ny isan' ny mpiteny finoà. Ao amin' ireo kaominina amin' ny tapany atsimo-andrefana sy andrefan' i Finlandy, indrindra ao amin' ny morontsiraky ny Ranomasina Baltika, dia ampiasain' ny mponina ao ny fiteny finoà nefa ifaninanan' ny fiteny soedoà izay be mpiteny kokoa ao amin' ireo faritra ireo.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.