Filazantsara araka an' i Lioka
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Filazantsara araka an' i Lioka, na Vaovao Mahafaly araka an' i Lioka, na Evanjely araka an' i Masindahy Lioka dia fahatelo amin' ny Filazantsara na Evanjely ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly. Sahala amin' ny mpanoratra ny Vaovao Mahafaly araka an' i Matio dia mitantara koa ny amin' ilay fahaterahan' ny Mpamonjy ity Evanjely fahatelo ity: "fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan' i Davida, dia Kristy Tompo." (Lio. 2.11) izay manambara sahady ny antony niavian' i Jesoa ety an-tany.
Porofoin' i Jesoa amin' ny alalan' ireo fanasitranana maro ara-batana sy ara-panahy nataony ny maha marina ny asany: "Fa efa tonga ny Zanak' olona hitady sy hamonjy ny very" (Lio. 19.10). Izany famonjena izany anefa dia tsy maintsy ialohavan' ny hazofijaliana. Manomboka eo amin' ny toko faha-9 dia efa mitombo ny fanoherana an' i Jesoa izay tonga amin' ny fara tampony tamin' ny famantsihana azy tamin' ny hazofijaliana (toko faha-22 sy 23). Taorian'ny fitsanganan' i Jesosy tamin' ny maty dia naniraka ny mpianany izy hanambara amin' ny olombelona rehetra fa izy no Mpamonjy.
Isan' ireo Filazantsara sinôptika ny Vaovao Mahafaly araka an' i Lioka. Teo anelanelan' ny taona 70 sy 100 no mety nanoratana azy. Misy toko 24 ity boky ity.