Fiekem-pinoan' i Kalkedôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fanekem-pinoan' i Kalkedôna (na kalkedôniana) na Fiekem-pinoan' i Kalsedoana (na kalsedonianina) dia fiekem-pinoana tapaka tamin' ny Kônsilin' i Kalkedôna (na Kalsedoana) tamin' ny taona 451. Mamaritra ny fiombonan' ny natiora roan' i Kristy sady nanamafy koa ny maha Renin' Andriamanitra an' i Maria io fanekem-pinoana io.