Ny Fiaran' ny fanekena dia ilay vata nitahirizana ny Didy folo nomena an' i Mosesy (na Môizy) teo amin' ny tendrombohitra Sinay (na Sinaia), araka ny voalaza ao amin' ny Baiboly (Deoterônômia 10.3-5). Amin' ny teny hebreo dia atao hoe אֲרוֹן הָעֵדוּת / Aron ha'Edout izay midika hoe "fiaran' ny fijoroana vavolombelona" na "vatan' ny fijoroana vavolombelona" ny Fiaran' ny fanekana.

Thumb
Sarin' ny Fiaran' ny fanekena ao amin' ny Royal Arch Room of the George Washington Masonic National Memorial. Sary nalain' i Ben Schumin tamlin' ny taona 2006.

Io vata io dia manana endrika kilavalava sady voarakotra volamena. Ny tampony dia misy sarin-kerobima roa, ka heverina ho sahala amin' ny sezafiandrianana, fitoeran' Andriamanitra eto an-tany (Eksôdosy 25.22). Napetraka tao an-tempolin' i Jerosalema ao amin' ilay efitra atao hoe "Masin' ny masina" na "Masina indrindra" ny Fiaran' ny fanekena (1Mpanjaka 8.1-8).

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.