Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Fiangonana tsy kalkedôniana na Fiangonana tsy kalsedôniana, dia ireo fiangonana kristiana tranainy izay niorina araka ny Kônsilin' i Nikea (taona 325) sy ny Kônsily voalohan' i Kônstantinôpôly (taona 381) ka atao hoe Fiangonan' ny kônsily roa, araka ny filazàn' i Antoine Arjakovsky[1], na koa niorina araka ireo kônsily roa ireo sy ny Kônsilin' i Efesôsy (na Efezy na Efeso) (taona 431) ka atao hoe Fiangonan' ny kônsily telo. Tsy anisan' ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana izany ireo atao hoe Fiangonanan' ny kônsily fito, izany hoe ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana.
Maro anefa ireo mpanoratra izay mihevitra fa ny atao hoe "Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana" dia tsy ahitana afa-tsy ireo Fiangonan' ny kônsily telo ka miavaka amin' ny Fiangonan' ny kônsily roa izay tsy anisany[2] [3] [4] [5]. Misy koa ny loharano izay manao ny Fiangonan' ny kônsily telo ho hany Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana [6] [7] [8].
Ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana no laharana fahefatra amin' ny fivavahana kristiana raha ny isan' ny mpino ao aminy no jerena, izay miisa 75 000 000 any ho any. Tsy anisany ireo fiangonana atao hoe Fiangonan' ny kônsily fito na Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana.