![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c5/Phoenicia_map-en.svg/langmg-640px-Phoenicia_map-en.svg.png&w=640&q=50)
Fenisia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Fenisia na Foinikia na Foenikia na Foenika dia faritra tamin' ny Andro Taloha izay somary lavalava sy teritery ao amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Ranomasina Mediteranea mifanandrifindrify amin' i Libàna ankehitriny. Nanana halavana mirefy 320 km sy sakany mirefy 25 km fara-fahabeny io faritra io. Ao atsinanana izy dia voasakan' ny tandavan-tendrombohitr' i Libàna. Ao amin' ny sisiny atsimo ny tendrombohitra Karmela, ao avaratra ny renirano Eleotera, izay antsoina hoe Kebir na Ôrônta ankehitriny sady sisin-tany avaratr' i Libàna. Tsy niray i Fenisia fa nizarazara ho tanàna mahaleo tena maro ka ny lehibe aminy dia i Biblôsy, i Sidôna, i Tiro ary i Arvada.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c5/Phoenicia_map-en.svg/320px-Phoenicia_map-en.svg.png)