Fasana foana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fasana foana dia lovantsofina kristiana izay milaza fa ny fasan' i Jesoa dia hitan' ny vehivavy maromaro (ankoatra an' i Maria Magdalena sy Maria renin' i Jôseta) fa foana tamin' ny Alahady aorian' ny nanomboana azy amin' ny hazo fijaliana sy ny fahafatesany ary ny fandevenana azy. Tantaraina ao amin' ny filazantsara kanônika efatra izany. Foana ilay fasana, tsy tao intsony ny vatan' i Jesoa, ary nilaza tamin’ ny vehivavy ny anjely (na “zatovo [...] niakanjo akanjo fotsy” fa efa nitsangana izy. Mifamatotra amin’ ny fitsanganan’ i Jesoa tamin’ ny maty, izay nitranga talohan' ny fisehoany tamin' ny mpianatra, io fizaràna io, .
Mifototra amin' ny lovantsofina tany aloha ny fitantaran' ny filazantsara. Na mifanaraka momba izany aza ny filazantsara kanônika dia misy ihany ny fahasamihafana momba ny fitsidihan' ny vehivavy ny fasan' i Jesoa.
Ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa dia mihevitra fa io fasana io dia ao amin' ny Fiangonan' ny Fasana Masina. Ny Prôtestanta sy ny Evanjelika kosa dia mihevitra izany ho ao amin' ny Fasan' ny Zaridaina. Asehon' ny sary hoso-doko tandrefana matetika izany lohahevitra izany.