Fanompoam-pivavahana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fanompoam-pivavahana, izay hafohezina hoe fivavahana na fanompoana, dia fitambarana fanao sy fikarakarana anomezana voninahitra sy fanajana ny andriamanitra, ny zavamananaina (ara-pedrà na tena misy), ny zavatra hafa izay heverina ho ambony, tsara na masina, sy manana toetra miavaka na manokana. Izany dia tanterahina ao amin' ny toeram-pivavahana toy ny fitoerana masina, ny tempoly, ny fiangonana, eny fa na any an-trano aza, arakaraka ny fivavahana arahina. Mety hotanterahina amin' ny alalan' ny fivavahana amin' ny sary sy amin' ny alalan' ny fanaterana voady any amin' ny toerana voafidy hanaovana izany ny fanompoam-pivavahana.