![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Kingdoms_of_Israel_and_Judah_map_830.svg/langmg-640px-Kingdoms_of_Israel_and_Judah_map_830.svg.png&w=640&q=50)
Fanjakan' i Jodà
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fanjakan' i Jodà na Fanjakan' i Joda na Fanjakana Atsimo dia fanjakà-mpanjaka tany Atsinanana-Akaiky taloha naorin' ny Israelita tamin' ny Andron' ny Vy. Araka ny Baiboly dia teo anelanelan' ny taona 931 sy 586 tal. J.K. no nisian' io fanjakana io izay nifanefi-tany tamin' ny Fanjakan' i Samaria (na Fanjakan' i Israely) izay nifanohitra taminy. Araka ny Baiboly dia vokatry ny fivakisan' ny Fanjakan' i Israely izay mbola nitambatra izy sy ny Fanjakan' i Samaria taorian' ny nahafatesan' i Sôlômôna (Salômôna). Taorian' ny vanim-potoam-pandrosoana teo ambany fifehezan' ny Fanjakana Asiriana vaovao dia noravan' ny Babilôniana izy tamin' ny andron' i Nebokadnetsara II tamin' ny ady nifanaovan' i Egiptiana sy ny Babilôniana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Kingdoms_of_Israel_and_Judah_map_830.svg/640px-Kingdoms_of_Israel_and_Judah_map_830.svg.png)