![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Kingdoms_of_Israel_and_Judah_map_830.svg/langmg-640px-Kingdoms_of_Israel_and_Judah_map_830.svg.png&w=640&q=50)
Fanjakan' i Israely (Samaria)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fanjakan' i Israely na Fanjakan' i Samaria na Fanjakana Avaratra dia fanjakà-mpanjaka tao Atsinanana-Akaiky taloha izay naorin' ny Israelita tao amin' ny tapany avaratr' i Palestina tamin' ny Andron' ny Vy. Naharitra 200 taona io fanjakana io, izay nisy nanomboka tamin' ny taonjato faha-10 tal. J.K. sy rava tamin' ny taonjato faha-8 tal. J.K. (taona 930 - 720 tal. J.K.).
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Kingdoms_of_Israel_and_Judah_map_830.svg/640px-Kingdoms_of_Israel_and_Judah_map_830.svg.png)
Ny mpahay tantara dia manome anarana azy hoe "Fanjakan' i Samaria" na "Fanjakana Avaratra" mba tsy hifangaroany amin' ny Fanjakan' i Jodà tao atsimo na ny Fanjakan' i Israely fony mbola nitambatra. Araka ny Baiboly dia nandimby ny Fanjakan' i Israely mitambatra sy ny an' i Jodà izy. Atao hoe "Efraima" koa izy indraindray.
Maro ny fianakavia-mpanjaka nifandimby nitondra tao amin' io fanjakana io. I Sikema no renivohiny talohan' ny nisafidianan' i Jerôbôama an' i Tirtsa (na Tirza). Taty aoriana dia nanorina ny tanànan' i Samaria i Ômry ka lasa renivohitry ny fanjakana io tanàna io hatramin' ny nanorenana azy ka hatramin' ny namaboan' ny Asiriana azy.
Tsy tena tsara ny filazan' ny Baiboly ny amin' ity fanjakana ity noho ny vahoaka nonina tao sy ny mpanjakany lazainy fa nanalavitra ny fampianaran' i Mosesy (na Môizy) tamin' ny fanompoan' izy ireo sampy. Noravàn' ny Asiriana tamin' ny taona 720 tal. J.K. ny Fanjakan' i Israely.