Predestinasiôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny predestinasiôna na ny fanendren' Andriamanitra mialoha, ho an' ny teôlôjia kristiana, dia fampianarana izay milaza fa ny fiafaran' ny olona tsirairay dia efa voafaritr' Andriamanitra ka tsy miova intsony. Ho an' ny mpampianatra ny predestinasiôna maro, io fanendrena mialoha io dia tsy mahakasika ny fahalalahan' ny olona tsirairay fa ny hiafarany fotsiny. Misy ny atao hoe "predestinasiôna tsotra" ary misy koa ny "predestinasiôna roa sosona". Nisy na teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana katôlika na teo amin' ny Fiangonana prôtestanta ny fampianarana ny amin' ny fanendren' Andriamanitra mialoha ny hiafaran' ny olona iray. Niteraka adihevitra sy tsy fitovian-kevitra ny amin' io fampianarana io teo amin' ny tantaran' ny Fiangonana. Misy toko sy andininy ao amin' ny Baiboly izay anohanan' ny mpomba ny predestinasiôna ny fampianarany.