![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/46/Marduk_and_pet.svg/langmg-640px-Marduk_and_pet.svg.png&w=640&q=50)
Fanandroana babilôniana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fanandroana babilôniana no fanandroana fantatra voalohany, izay nipoitra tamin' ny taonarivo faharoa tal. J.K.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/46/Marduk_and_pet.svg/640px-Marduk_and_pet.svg.png)
Tany Babilôna sy tany Asiria, amin' ny maha sampana nivantan' ny kolontsaina babilôniana azy, ny fanandroana dia naka ny toerany ho anisan' ny fitaovana roa lehibe azon' ny mpisorona (izay nantsoina hoe bare na "mpanara-maso") mba hamantarana ny sitrapo sy ny fikasan' ny andriamanitra, ny iray kosa dia tamin' ny alalan' ny fijerena ny atinin' ny biby natao sorona.