![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c8/Schiavonetti_Soul_leaving_body_1808.jpg/640px-Schiavonetti_Soul_leaving_body_1808.jpg&w=640&q=50)
Fanahin' ny vatana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fanahin' ny vatana, izay atao fotsiny amin' ny teny malagasy mahazatra hoe fanahy ihany koa, dia fototry ny fahavelomana tsy azo tsapain-tanana, izay manetsika ny vatan' ny zavamananaina (olombelona, biby, zavamaniry sns, arakaraka ny fampianarana sy ny finoana) sy mahatonga azy hanana saina. Maro dia maro ny fanehoana ara-tandindona na am-panoharana ny fanahy, maro toraka izany koa ny zavatra inoana momba azy. Ahitana izany rehetra izany ny ankabeazan' ny sivilizasiôna araka ny hita amin' ny fiheverana ara-pivavahana, ara-pilôzôfia, ara-psikôlôjia, na araka ny angano sy ny fahalam-bahoaka.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c8/Schiavonetti_Soul_leaving_body_1808.jpg/640px-Schiavonetti_Soul_leaving_body_1808.jpg)