![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d6/Samsung_Galaxy_Watch_series.jpg/640px-Samsung_Galaxy_Watch_series.jpg&w=640&q=50)
Famantaranandro marani-tsaina
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny famantaranandro marani-tsaina (smartwatch amin'ny fiteny anglisy) dia famantaranandro tanana ahitana solosaina izay afaka manao zavatra maranitra kokoa afatsy ny manondro ny fotoana. Ny famantaranandro marani-tsaina tamin'ny voalohany dia nahavita zavatra toa ny fikajiana, fandikan-teny ary filalaovana; ny ankehitriny dia tena solosaina enti-tanana tokoa miaraka amin'ny mpandrindra milim-pinday ary mandeha toa ny mpilalao haino aman-jery finday izay azo ihainoana fampielezam-peo FM, andefasana feo na horonantsary amin'ny alalan'ny headset Bluetooth. Misy koa ireo famantaranandro marani-tsaina afaka iantsoana olona ary afaka mandray antson'olona amin'ny alalan'ny teknôlôjiam-pifandraisan'ny finday.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d6/Samsung_Galaxy_Watch_series.jpg/640px-Samsung_Galaxy_Watch_series.jpg)
Ireo fitaovana ireo dia ahitana fakan-tsary, mpandrefy fampahainganana, mpandrefy haavo, mpandrefy tsindry, famantaranavaratra, mpandrefy fototnaa, mpikajy, finday, efijery kasihina, GPS, mpaneho sarin-tany, famoaham-peo, mpandaha-potoana, famantaranandro, karatra SD fantatry ny solosaina ho mpitahiry ambongadiny ary vatoaratra azo fahanana. Afaka mifandray amin'ny alalan'ny headset tsy misy tariby, paompy insolinina, mikrôfôna, modem na fitaovana hafa.