![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/80/Famadihana_reburial_razana_ancestor_Madagascar.jpg/640px-Famadihana_reburial_razana_ancestor_Madagascar.jpg&w=640&q=50)
Famadihana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Isan'ny fomban-drazana iray mampiavaka ny Malagasy ny famadihana, izay antsoina koa hoe famonosan-damba. Ny famadihana dia fety atokan'ny Malagasy hahatsiarovana ireo efa maty. Anehoana ny fifandraisana mbola misy eo amin'ny velona sy ny maty izy, izany hoe anehoana ny fanajàna sy fanomezana hasina ny razana. Atao amin'izany ihany koa ny fangataham-pitahiana amin'ny razana. Tsy vitan'ny hoe hahatsiarovana izy io, fa indrindra ahazoana miverina mikasika ireo efa maty. Fotoana ahazoan'ny fianakaviana mifankahita koa izy io.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/80/Famadihana_reburial_razana_ancestor_Madagascar.jpg/640px-Famadihana_reburial_razana_ancestor_Madagascar.jpg)