Fahaizana mamaky sy manoratra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fahaizana mamaky sy manoratra dia ny fahafahana mampiasa fiteny an-tsoratra. Amin'izao fotoana izao, ny «fahaizana mamaky sy manoratra» dia fahaizana mifehy ny fanisana, ny fanoratana, ny famakiana ary fahalalana ny dikan'ny sary amin'ny kolontsaina iray. Ao amin'ny firenena mandroson'ny OCDE, dia aitatra amin'ny fahaizana mifehy teknolojia ary fahaizana manadihady zava-misy sarotra ny fahaizana mamaky sy manoratra.
Ao Afrika sy ao Sahara no tena manana tahan-tsifahaizana mamaky sy manoratra eto amin'izao tontolo izaio. Ao amin'ireo firenena ireo dia telopolo isan-jaton'ny lehilahy ary efapolo hatramin'ny dimampolo isan-jaton'ny vehivavy n tsy mahay mamaky na manoratra, araka ny famaritana napetraky ny FM (Firenena Mikambana). Anisan'ny mahatondra ny tsifahaizana mamaky sy manoratra ny tsi filàn'ny olona izany fahaizana izany amin'ny fiainany mandavanandro. Ao koa ny anjaran'ny kolontsina, toy ny kolontsaina izay manana fomban-drazana am-bava. Ny foko izay miaina amin'ny fiompiana omby izao ohata dia mety tsy mila mahay mamaky teny sy manoratra.