Ezra
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ezra na Esdrasa dia olona resahina ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ny Baiboly kristiana, indrindra ao amin' ny Bokin' i Ezra (na Bokin' i Esdrasa) sy ny Bokin' i Nehemia, sy boky hafa koa. Jiosy babo tany Babilôna izay niverina an-taniny tao Jerosalema tokony ho tamin' ny taona 428 tal. J.K. i Ezra. Sady mpisorona izy no mpanoradalàna, izay velona teo anelanelan' ny taonjato faha-5 sy faha-4 tal. J.K. Atao koa Ezra Mpanoradalàna na Esdrasa Mpanoradalàna koa izy (hebreo: עזרא הסופר / Ezra ha-Sofer).