Evanjelista
From Wikipedia, the free encyclopedia
Evanjelista na Evanjelistra no iantsoana ireo olona nanoratra ny Filazantsara na Evanjely na Vaovao Mahafaly efatra (Matio, Marka, Lioka ary Joany na Jaona) ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly kristiana. Ny roa ihany no anisan' ny Apôstôly roa ambin' ny folo: i Matio sy i Joany (na Jaona). I Marka sy i Lioka dia tsy isan' ny Apôstôly roa ambin' ny folo. Ny teny hoe evanjelista dia midika hoe "olona mpampiely ny Vaovao Mahafaly" (grika: euangelion "vaovao tsara").