![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/83/El_Greco_-_Las_l%25C3%25A1grimas_de_San_Pedro.jpg/640px-El_Greco_-_Las_l%25C3%25A1grimas_de_San_Pedro.jpg&w=640&q=50)
Epistily voalohany nosoratan' i Petera
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Epistily voalohany nosoratan' i Petera na Epistola voalohany nosoratan' i Masindahy Piera na Taratasy voalohany nosoratan' i Piera dia boky ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Testamenta Vaovao izay anisan' ireo atao hoe epistily. Atao hoe Epistily Katôlika io epistily io noho izy tsy natokana ho ana fiangonana iray fa ho an' ny fiangonana rehetra sy ny olona rehetra. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 64 sy 90 no nanoratana azy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/83/El_Greco_-_Las_l%C3%A1grimas_de_San_Pedro.jpg/320px-El_Greco_-_Las_l%C3%A1grimas_de_San_Pedro.jpg)
Misy toko 5 ity boky ity.
- Ny toko voalohany dia miresaka ny anjara asan' i Kristy efa voalahatra rahateo, dia ny maha Mpanavotra azy.
- Ny toko faharoa sy fahatelo dia manazava fa i Jesoa no vato fehizoron' ny Fiangonana, fa ny fitambaran' ny mpino rehetra no manao ny asam-pisoronan' ny mpanjaka (izay fantatra indrindra ao amin' ny Prôtestantisma amin' ny fitenenana hoe "mpisorona ny mpino rehetra") sy firenena masina (1Pet. 2.9-10) ary i Kristy dia nitory teny tamin' ny fanahy voafonja (1Pet. 3.18-20).
- Ny toko fahefatra sy fahadimy dia manazava ny antony itoriana ny Filazantsara na Evanjely amin' ny maty sy ny antony tokony hiandrasan' ny loholona ny ondry.