Epistily faharoa nosoratan' i Joany
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Epistily faharoa nosoratan' i Jaona na Epistola faharoa nosoratan' i Joany na Taratasy faharoa nosoratan' i Joany dia boky ao amin' ny Baiboly ao amin' ny Testamenta Vaovao izay anisan' ireo atao hoe epistily. Atao hoe Epistily katôlika io epistily io noho izy tsy natokana ho ana fiangonana iray fa ho an' ny fiangonana sy ny olona rehetra. Ny Epistily faharoan' i Joany dia soratra fohy indrindra ao amin' ny Baiboly kristiana, tsy misy afa-tsy toko iray misy andininy 13 ny ao amin' io epistily io. Tokony ho teo anelanelan' ny taona 90 sy 110 no nanoratana azy.