![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0a/Analavory_geyser_near_hot_springs_at_Ampefy_in_Itasy_-_Madagascar.jpg/640px-Analavory_geyser_near_hot_springs_at_Ampefy_in_Itasy_-_Madagascar.jpg&w=640&q=50)
Distrikan' i Soavinandriana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Distrikan' i Soavinandriana dia distrika eto Madagasikara, ao amin' ny tapany atsinanan' ny Faritanin' Antananarivo, ao amin' ny Faritra Itasy. Lafin-javatra manan-danja amin' ny toekarena eo an-toerana ny paraky.
Distrikan' i Soavinandriana | ||
![]() | ||
Velarantany | 1 970 km2 | |
Isam-ponina | 250 095 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | ![]() | |
Faritany | Antananarivo | |
Faritra | Faritra Itasy |
Eo amin’ ny lalam-pirenena faha-43 no misy azy, eo amin’ ny 40 km miala an’ Analavory ary 140 km miala an’ Antananarivo.
Renirano 17 sy riaka 20 no hita ao amin’ io distrika io, ahitana an' i Kelimahery, i Mangadona ary ny reniranon’ i Lily izay mandrafitra ny riandranon’ i Lily akaikin’ Ampefy ihany koa. Ankoatra izay dia manamorona ny farihin' Itasy any avaratra izy.