![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/46/Schedel_Damaskus_1497.jpg/640px-Schedel_Damaskus_1497.jpg&w=640&q=50)
Damaskôsy
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Damaskôsy na Damasy[1] dia renivohitr' i Siria sady tanàna lehibe indrindra ao Siria, any atsimo-andrefana amin' ilay firenena, eo am-pototry ny tapany atsinanana amin' i Antilibàna, eo amin' ny sisin' ny taniefitr’ i Siria, akaikin' ny sisin-tanin' i Libàna, eo amin' ny renirano Barada. Izy koa no tanàna antitra indrindra mbola misy mponina. Misy mponina 2,6 tapitrisa izy tamin' ny taona 2004[2]. Atao hoe مشق / Dimashq, izy amin' ny teny arabo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/46/Schedel_Damaskus_1497.jpg/640px-Schedel_Damaskus_1497.jpg)
I Damakôsy dia renivohitry ny kalifaty omaiada tamin' ny taonjato faha-7 hatramin' ny taonjato faha-8. Taorian' ny fandresen' ny dinastia abasida, dia nafindra tany Bagdad ny renivohitra. Nandritra ny taonjato faha-13, dia lasa renivohitry ny kalifaty mamalòka, izay nahatonga azy ho tanàna lehibe ary manan-karena amin' ny lafiny ara-kolontsaina ao amin' ny faritra misy azy (Azia Andrefana). Nandritra ny taona nanjakan' ny Fanjakambe ôsmana, dia nihakely ny lanjan' i Damaskôsy. Amin' izao fotoana izao, i Damaskôsy no renivohitr' i Siria. Ary noho ny hareny ara-kolontsaina, izy io no voafidy ho renivohitra ara-kolontsain' ny Arabo tamin' ny taona 2008.[3]