Daha (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Dahae na Daha dia vahoaka iraniana tany Azia Afovoany tamin' ny Andro Taloha. Fiombonam-poko skitiana telo izy ireo: ny Parny sy ny Ksantiy ary ny Pisory, izay nipetraka tany amin' ny faritra mahafaoka ny ampahany be amin' i Torkmenistàna ankehitriny sy ny avaratra-atsinanana amin' i Iràna, ary koa, tatỳ aoriana, nanodidina ny Ranomasina Kaspiana. Antsoina hoe Dahistàna na Dihistàna na Dahestàna ny faritra nisy azy ireo. Namela ny anarany ho an' i Dihistan, satrapia tao amin' ny Empira Persiana, sy i Dagestàna, ny anaran' izy ireo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/dd/Confedera%C5%A3ia.Dahae.jpg/260px-Confedera%C5%A3ia.Dahae.jpg)