Absarôka
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Absarôka na Absalooka dia vahoaka teratanin' i Amerika (amerindiana) niaina tao amin' ny lohasahan' ny renirano Yellowstone, izay nafindran' ny governemantan' i Etazonia any anatin' ny tahiry (Reservation) ao atsimon' i Billings (any Montana). Ny renivohitra ara-pôlitikan' ny Absarôka dia any Crow Agency (Montana). Ity vahoaa ity dia mandray fety isan-taona ahitana pow-wow, rodeo sns; izany no atao hoe dia ny Crow Fair izay atao isan-taona ao amin' ny Crow Agency ny volana Aogositra.