![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0b/Lecomte_du_Nouy_Il_sogno_dell%2527eunuco.jpg/640px-Lecomte_du_Nouy_Il_sogno_dell%2527eunuco.jpg&w=640&q=50)
Conditionnel présent
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny conditionnel présent na futur simple du passé dia filazam-potoana ao amin' ny fiteny frantsay, izay matetika iresahana fisehon-javatra tsy tena azo antoka ao amin' ny fotoana ankehitriny na amin' ny fotoana hoavy, na analefahana fanambaràna na fiangaviana. Misolo ny futur simple ao amin' ny fehezankevitra mifampiankina (indrindraindrindra ireo misy tati-bolana tsy mivantana) koa ny conditionnel présent ka izany no iantsoana azy hoe futur simple du passé. Ny conditionnel présent dia tsy mety miaraka ao amin' ny fehezankevitra ampidirin' ny mpampiankina fehezankevitra "si", ny imparfait de l'indicatif no ilaina raha izany no mitranga.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0b/Lecomte_du_Nouy_Il_sogno_dell%27eunuco.jpg/320px-Lecomte_du_Nouy_Il_sogno_dell%27eunuco.jpg)