![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/1d/Salomons_dom.jpg/640px-Salomons_dom.jpg&w=640&q=50)
Boky voalohan' ny Mpanjaka
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Boky voalohan'ny Mpanjaka na Mpanjaka voalohany dia boky ao amin’ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly izay isan’ireo atao hoe boky fitantarana. Ny Mpanjaka voalohany dia mitantara ny fametrahana an’i Solomona (na Salômôna) ho mpanjaka, ny fanorenany ny Tempoly voalohany, ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa, ny fahotan'ireo mpanjaka ary ny fandraisan'anjaran'ireo mpaminany manoloana izany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/1d/Salomons_dom.jpg/640px-Salomons_dom.jpg)
Raha mbola tsy maty i Davida dia efa nisy tamin’ireo zanany no niady handimby azy nefa i Sôlômôna ihany no voatendrin’i Davida handimby azy. Nanao fahotana lehibe i Sôlômôna tamin'ny naha-mpanjaka azy ka ho setrin’izany dia nivaky roa ny firenena taorian’ny nahafatesany. Ny tapany avaratra dia natao hoe Fanjakan’i Joda fa ny ilany atsimo kosa dia natao hoe Fanjakan’i Israely (na Fanjakan’i Samaria). Ny mpanjaka tsirairay voatantara ao amin’ny boky dia tsaraina araka ny fifikirany na tsia amin’Andriamanitra.