Boky faharoan' ny Mpanjaka
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Boky faharoan' ny Mpanjaka na Mpanjaka faharoa dia boky ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly izay anisan' ny atao hoe boky ara-tantara. Ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) izy dia anisan' ny bokin' ny mpaminany. Manohy ny tantaran' ny Fanjakan' i Jodà sy ny an' i Israely izay niantomboka tao amin' ny Boky voalohan' ny Mpanjaka ity boky ity.
Io boky io dia mitantara ny nanjakan' ireo mpanjaka tsirairay hatramin' i Ahazia (na Ôkôziasa) ka hatramin' ny faharavan' ny Fanjakan' i Jodà. Aseho tsirairay ny nitondran' ireo mpanjakan' i Isiraely sy ny an' i Jodà izay voahelok' Andriamanitra noho ny tsy fanarahan' izy ireo ny didiny. Ny Fanjakan' i Isiraely dia rava voalohany ka ny Asiriana no nahavita izany, fa ny Fanjakan' i Jodà kosa no rava farany tokony ho 130 taona taorian' izany tamin' ny fanafihan' ny Babilôniana.
Asehon' ilay boky fa navela ho rava ny Fanjakan' i Israely sy ny Fanjakan' i Jodà noho izy ireo nanjakan' ny tsy finoana an' Andriamanitra. Talohan' izany dia nandefa mpaminany Andriamanitra mba hananatra ny vahoaka sy ireo mpanjaka tsy hanompo andriamani-kafa fa hiverina amin’ ny finoana marina, nefa tsy nisy vokany firy izany.