Bokin' ny Makabeo
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' ny Makabeo dia boky maro mikasika ny zava-niseho teo amin' ny fivavahana jiosy niharan' ny fanenjehana tamin' ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa tamin' ny andron' ireo mpanjaka seleokida, indrindra i Antiôkôsy Epifanesy. Ireto avy izy ireo:
Tsy hita ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) ireo boky ireo. Ny roa voalohany dia deoterôkanônika ao amin' ny Baiboly katôlika sy Baiboly ôrtôdôksa fa apokrifa kosa ao amin' ny Baiboly prôtestanta sasany. Ny roa manaraka dia deoterôkanonika ao amin' ny Baiboly ôrtôdôksa fa isan' ny boky apôkrifa ao amin' ny Baiboly katôlika. Ny sisa rehetra dia apôkrifa ho an' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa. Ankoatry ny boky roa voalohany dia boky pseodepigrafa ho an' ny Prôtestanta ny boky sisa rehetra.
Ao koa ireo boky atao hoe Boky voalohan' ny Mekabiana sy ny Boky faharoan' ny Mekabiana ary ny Boky fahatelon' ny Mekabiana izay hita ao amin' ny Baiboly ôtôdôksa ampiasain' ny Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana nefa tsy hita ao amin' ny Baibolin' ny fiangonana hafa.
Ireo bokin' ny Baiboly ôrtôdôksa teoahedo atao hoe an' ny Mekabiana dia fitantarana fohy avy amina loharano etiôpiana. Ireo boky ireo dia mitatitra ny tantaran' ny mpikomy jiosy hafa izay nitolona hanoherana ny fitondran' i Antiôkôsy, nefa tsy voaresaka ao ireo mpirahalahy malaza avy any Modeina. Tsy fantatra ny niavian' ireo tantara ireo.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.