Bokin' i Ôbadia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Ôbadia na Bokin' i Abdiasa dia bokim-paminaniana ao amin’ ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Iray amin’ ireo atao hoe "mpaminany madinika" ao amin’ ny Baiboly izy sady io boky io no fohy indrindra amin’ ireo bokin’ ny Testamenta Taloha satria tsy ahitana afa-tsy toko tokana misy andininy 21. Maminany i Ôbadia (na Abdiasa) ny amin’ ny hitsaran’ Andriamanitra ny Fanjakan’ i Edôma izay harodana sy ny amin’ ny famaliana izay hataon’ i Israely amin’ io fanjakana io. Nefa hihatra amin’ ny firenena rehetra izany fitsarana izany any amin’ ny andron’ i Iahveh.