Bokin' i Samoela
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Samoela dia boky ao amin’ ny Baiboly hebreo (Tanakh) izay nosarahana roa ao amin’ ny Baiboly kristiana ka nahazoana ny Boky voalohany sy ny Boky faharoan’ i Samoela. Mitantara ny fanombohan’ ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ ny Israelita tany Kanaana sy ny adiny tamin’ ny firenena fahavalony ny boky. Resahiny ny fahotana nataon’ i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ ny fitondrany sy ny fireneny. Resahin' io boky io koa na ny herin’ ny mpanjaka Davida sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany ary ny vokatr’ izany rehetra izany. Nefa na dia tsy fanaperana ny toetr’ i Davida dia tsy niala tamin’ Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i Yahweh izy.