Bokin' i Mikà
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Mikà na Bokin' i Mika na Bokin' i Mikea dia boky ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin' ny Testamenta Taloha ao amin' ny Baiboly kristiana. Isan' ireo atao hoe Mpaminany madinika roa ambin' ny folo izay zana-tsokajin' ny Bokin' ny mpaminany ao amin' ny Baiboly kristiana sy isan' ireo ao amin' ny Nevi'im ao amin' ny Tanakh. Natao hamerina ny fandriam-pahalemana sy ny fahamarinana ara-tsôsialy ny mpaminany Mikà na Mika na Mikea. Ity boky ity dia mirakitra faminaniana natokana ho an' i Samaria renivohitry ny Fanjakan' i Israely ary ho an' i Jerosalema renivohitry ny Fanjakan' i Jodà, satria tsy nitondra ny fireneny hanompo an' Andriamanitra ny mpitondra tao fa nanompo andriamani-kafa sady nifetsy sy nangalatra ny fananan' ny malahelo. Hovalian' Andriamanitra noho izany i Israely sy i Jodà. Nefa nampanantena Andriamanitra fa amin' ny andro ho avy, ny vahoakan' i Israely sy ny an' i Jodà dia hiverina amin' Andriamanitra ary ny mpanjaka hotendreny dia hanao izay hampiadana ny vahoaka sahala amin' ny mpiandry ondry izay mikarakara ny ondriny sady hitondra fiadanana amin' ny tany rehetra.