Bokin' i Hôsea
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin i Hôsea na Bokin' i Ôsea dia boky ao amin’ ny Baiboly hebreo (Tanakh) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana. Ahitana taratra ny tantaram-pivavahan’ ny Fanjakana tany Avaratr' i Israely sy ny fivoaran’ ny jodaisma io boky io. Voalohany amin’ ireo bokim-paminaniana roa ambin’ ny folo, atao hoe "mpaminany madinika", noho ny hafohin’ ny asa-sorany, io boky io. Ny hevi-dehiben’ ny boky dia ny fitiavan’ i Iahveh ny vahoakany izay asehon’ny fanambadian’i Hôsea (na Ôsea) an’ ilay vehivavy janga atao hoe Gômera. Hentitra ny fomba fitenin’ i Hôsea manoloana ny vahoaka miaina amin’ ny fomba sy fanao izay miseho lany hatrany ho mifanohitra amin’ ny finoana an' i Iahveh sy ny lalàny.