Bokin' i Hagay
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Hagay na Bokin' i Akjea dia bokim-paminaniana ao amin' ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana. Isan’ ireo atao hoe “mpaminany madinika” i Hagay na Akjea.
Ny boky dia fitambarana faminaniana efatra izay ampitain’ i Hagay (na Akjea) amin’ i Zôrôbabela, governoran’ ny faritanin’ i Jodea, sy amin’ i Jôsoa mpisorom-be mandritra ny fanamboarana ny Tempoly faharoa tao Jerosalema tamin’ ny taonjato faha-6 tal. J.K. Ny mpaminany Hagay dia isan’ ireo izay namelona ny fahatongavan-tsain’ ireo Jiosy nantsoina taorian’ ny Fahababoana mba hanamboatra indray ny Tempoly ao Jerosalema tamin’ ny taona 516 tal. J.K. Ao amin’ ireo faminaniana ireo, i Hagay dia mamboraka ny faniriany hahita ny hahavitan’ ny Tempoly haingana.