Bokin' i Malakia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Malakia na Bokin' i Malaký dia boky ao amin’ ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana. Isan’ ireo atao hoe Mpaminany madinika izy. Ahitana ireo tenin’ ny mpaminany mahazatra toy ny fampahatsiahivana ny nifidian’ Andriamanitra an’ i Israely ho vahoakany, ny fahamasinan’ Andriamanitra, ny fahamarinana ara-piaraha-monina ary ny tokony hanajana ny fanompoam-pivavahana. Ny hafatra eskatolojika ny amin' ny Andron' i Iahveh dia mikasika an’i Israely ihany fa tsy ny firenena rehetra. Miresaka misimisy momba ny fanambadiana koa ny Bokin' i Malakia.