![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c5/Joel_%2528Michelangelo%2529.jpg/640px-Joel_%2528Michelangelo%2529.jpg&w=640&q=50)
Bokin' i Jôela
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Jôela na Bokin' i Jôely dia boky ao amin’ ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ ny Baiboly kristiana. Iray amin’ ireo atao hoe "mpaminany madinika roa ambin'ny folo" izy. Tetezamita mampitohy ny faminaniana israelita sy ny apokaliptika jiosy ny Bokin’ i Jôela. Ny boky dia mitantara ny fahorian' ireo Jiosy nody ao Jodà avy any am-pahababoana, sy mirakitra ny faminanian' i Jôela (na Jôely) izay mitaona ny vahoaka hibebaka sady mampanantena azy ireo fahasambarana ho avy amin' ny Andron' i Iahveh.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c5/Joel_%28Michelangelo%29.jpg/640px-Joel_%28Michelangelo%29.jpg)