Bajao (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bajao na Bajô na Sama-Bajao vondrom-poko any Broney, any Indônezia, any Malezia Atsinanana ary any Filipina, izay aisan' ny vahoaka mpifindrafindra monina an-dranomasina toy ny Môkena any Birmania sy Tailandy, ny Ôranga Laota (Orang Laut) any Riau sy ny Oraka Laoy (Urak Lawoi) any Tailandy. Laharana faharoa ny Bajao amin' ny habetsahana ao amin' ny fanjakana malezianan' i Sabah, ka mahatratra ny 13 %n' ny mponina ao. Ny Bajaon' i Indônezia dia miaina indrindra eny amin' ny nosy madinika sy ny morontsiraky ny nosy Sulawesi (na Célèbes). Heverin' ny maro fa ny fanjonoana sy ny fanaovana raharaham-barotra ny zanga (trepang amin' ny fiteny maley) no mitarika ny fielezan' ny Bajao.