![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/33/Malagasy_bible.png/640px-Malagasy_bible.png&w=640&q=50)
Baiboly amin' ny teny malagasy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Baiboly amin' ny teny malagasy dia dikan-tenin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy ampiasain' ny fiangonana miteny malagasy amin' ny fotoam-pivavahana, indrindra fa ny eto Madagasikara. Amin' izao fanombohan' ny taonjato faha-21 izao dia maro ny dikan-tenin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy azo vakina, ka tsy amin' ny teny malagasy ôfisialy ihany izany fa misy amin' ny fitenim-paritra koa. Manana ny lanjany eo amin' ny tantaran' ny Fiangonana eto Madagasikara sy ny tantaran' ny Firenenana malagasy ny Baiboly.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/3/33/Malagasy_bible.png/320px-Malagasy_bible.png)
Anisan' ny mampiavaka ny Baiboly amin' ny teny malagasy ny tsy fisian' ny fifanarahan' ny mpandika teny amin' ny fanagasiana ny teny grika sy hebreo manondro anaran-tsamirery.