![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a3/Babuyan_islands_en.png/640px-Babuyan_islands_en.png&w=640&q=50)
Babuyan (tangoro-nosy)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tangoro-nosy Babuyan dia tangoro-nosy any Filipina izay hita ao amin' ny Ranomasin' i Sina Atsimo, eo anelanelan' i Luzon any atsimo sy ny tangoro-nosy Batanes any avaratra, ao amin' ny Andilan-dranomasin' i Luzon. Anisan' ny Faritanin' i Cagayan ireo nosy ireo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d7/Babuyan_and_Batanes.png/640px-Babuyan_and_Batanes.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/a/a3/Babuyan_islands_en.png/640px-Babuyan_islands_en.png)
Ny tangoro-nosy Babuyan dia ahitana nosy dimy lehibe: ny nosy Babuyan (nosin' afotroa), ny nosy Calayan (nosy lehibe), ny nosy Camiguin (nosin' afotroa, tsy tokony hafangaro amin' i Camiguin, izay nosy any amorontsirak' i Mindanao), ny nosy Dalupiri (tsy tokony hafangaro amin' i Dalupiri, nosy iray any avaratra-andrefan' i Samar), ny nosy Fuga, ary nosy kely maromaro mifanila aminy. Ny efatra voalohany dia mandrafitra kaominina iray ihany (Calayan), misy mponina 16 200; ny farany, i Fuga, dia mifamatotra amin' ny kaominin' i Aparri.