Babilôna
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Babilôna dia tanàna tamin' ny Andro Taloha tany Mesôpôtamia niorina teo amin' ny ony Eofrata, any amin' ny 90 km ao atsimon' i Bagdad ankehitriny (Iràka), renivohitr' i Babilônia tamin' ny taonarivo faha-2 sy voalohany tal. J.K. Eo amin' ny lalan-dehibe falehan' ny raharaham-barotra eo anelanelan' ny Hoala Persika sy ny Ranomasina Mediteranea i Babilôna ka anisan' ireo tanan-dehibe nanana ny maha izy azy tamin' ny Andro Taloha.
Avy amin' ny teny akadiana i Babilôna dia atao hoe Bāb-ili na Babil na Bāb-ilim, izay midika hoe "vavahadin' andriamanitra". Io no atao hoe Babela ao amin' ny Baiboly (jereo Tilikambon' i Babela).