![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b0/Asia_Minor_in_the_Greco-Roman_period_-_general_map_-_regions_and_main_settlements.jpg/640px-Asia_Minor_in_the_Greco-Roman_period_-_general_map_-_regions_and_main_settlements.jpg&w=640&q=50)
Anatôlia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Anatôlia na Azia Minora na Asia Minora dia faritra tao Azia izay mifanandrify amin' ny ampahany lehibe amin' i Torkia ankehitriny. Saikanosin' ny faritra Atsinanana Akaiky izy ka hodidinin' ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo sy ny Ranomasina Mainty ao avaratra sy ny Ranomasina Egea ao andrefana ary ny onin' i Eofrata sy ny tandavan-tendrombohitra Taorosy ao antinanana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b0/Asia_Minor_in_the_Greco-Roman_period_-_general_map_-_regions_and_main_settlements.jpg/640px-Asia_Minor_in_the_Greco-Roman_period_-_general_map_-_regions_and_main_settlements.jpg)
Faritra ao amin' ny tendrony adrefana amin' i Azia i Anatôlia. Ara-jeôgrafia dia anondroana ny faritra ao andrefan' ny tsipika Tchorokhi-Oronte, izay avy any amin' ny Ranomasina Mediteranea mankany amin' ny Ranomasina Mainty, ary sarahan' ny Ranomasin' i Marmara amin' i Eorôpa avy ao avaratra-andrefana. Ara-pôlitika kosa dia anondroana ny faritra aziatikan' i Torkia i Anatôlia. Ny 97 %n' ny tanin' i Torkia dia ao Anatôlia fa ny 3 % monja no ampahan' i Eorôpa, ao Trakia Atsinanana.