Apôkrifan' ny Baiboly
From Wikipedia, the free encyclopedia
Atao hoe Apôkrifan' ny Baiboly na Boky apôkrifa na Soratra apôkrifa na Apôkrifa fotsiny ireo boky nosoratana ho boky masina nefa tsy voaray ho ao amin' ny lisitry ny boky ekena ho filamatry ny finoana ao amin' ny Baiboly kristiana na amin' ny Baiboly jiosy. Izany lisitra izany no atao hoe kanôna. Tsy mitovy ny fampiasan' ny Katôlika sy ny Prôtestanta ny teny hoe apôkrifa. Samy manana ny ataony hoe "boky apôkrifa" ny fanontana Baiboly tsirairay.